Itony koa ireto taozavatra vita malagasy matanjaka be

Published on 20:27, 10/29,2008

Mpiasa ao amin'ny fanamboarana vato-soa (raha tsy diso aho) amin'ny teny frantsay dia antsoina hoe: Lapiderie.
Mitondra sary fotsiny aho fa tsy haiko ny mombamomba an'izany. 

Misy aminareo angamba mahafantatra tsara ity asa ao Madagasikara ity ?   

 


Mpivarotra zavatra isan-karazany

Published on 10:57, 10/28,2008

PreviewPreview

Soa ihany fa mbola misy ireto mpivarotra zavatra vita gasy isan-karazany.
Hita fa maro ny malagasy mahay mamorona taozavatra.

Ary ireny mpivarom-boankazo, vokatra sy hanin-kotrana, mbola betsaka ao Dago. 
Raha mbola misy ny vokatra dia tsy ho nohana ny mponina. 

Sady faly ny mpividy fa nahazo sovenira manja sy nihinana zava-soa avy eny an-tsaha sy ala...
Ireo mpivarotra nahazo vola hividianany izay tiany, hanasoa ny fiainany.

Samy manao valim-pitia izany !

Enga anie hitohy toy izany lalan-dava, fa mahafinaritra ny fahitana zavatra vita malagasy...  


Ireny Tambanivohitra ireny !

Published on 09:35, 10/25,2008

PreviewPreviewPreviewPreview

Namaky etsy sy eroa aho, dia hitako ireny nosoratan'ny sasany momban'ny tambanivohitra. Misy milaza fa hoe mandany andro tsy manao inoninona, tsy miasa, mipetraka mitanin'andro fotsiny izy ireo, sy miandry ny sakafo avy eny an-danitra. Mampalahelo rehefa mahafantatra ny toe-tsain'ny mpanaratsy, nefa tsy mahita ny fahamarinana tanteraka momba azy ireo.

Ireny olona mihaina eny ivelan'ny tanan-dehibe ireny dia mifoha isan'andro amin'ny 5 ora maraina, ary mandeha miasa eny an-tsaha na eny an-tanim-bary ao tontolo andro izany, toy ireto amin'ny sary.

Ka rehefa vokatra ny voly dia mandeha mivarotra azy eny an-tsena na eny amoron-dalana ireny tambanivohitra ireny.

Aiza ny akamoana amin'izany ?


Mbola sipa gasy foana

Published on 10:14, 10/24,2008

Preview

Ny fikarakarana vary hoatran'ny eto amin'ny sary, alohan'ny fandrahoana azy dia fomba malagasy tsy very.
Mahafinaritra ny fahitana azy fa toa ny fandihizana ilay hetsika, ary mandeha amin'ny "rythme", ary raha henoina dia misy mozika manaraka azy...
Ao Dago fotsiny angamba no misy io fomba fanadiovana vary io...


Ramatoa (manja) mponina ao an-ala Mikéas

Published on 09:55, 10/21,2008

Preview

Fantantsika fa any avaratr'i Tuléar (120km) ao commune Basy-Basy no misy ny ala Mikéas, ary ao koa no mihaina ireto mponina mitondra io anarana io .

Ity apetrako (tapitra avy eo) ny sarin'i ramatoa manisy masonjoany eo an-tavany, kanefa hono tamin'ny sakamalaon'ala no namboariny ity (crème) ity...  


Vehivavy sakalava manja kely mitandrina ny tavany tsy ho simban'ny masoandro...

Published on 16:18, 10/20,2008

Preview

Betsaka ny vehivavy malagasy mampiasa ny produits naturels vita gasy .

Toy ny eto amin'ny sary ity dia isan'ny maraina no manisy an'io "menaka" eo amin'ny tarehiny ireny sipa gasy sakalava , na zazavavy kely izany na ramatoa .

Miaro ny endrika hono io fomba io mba tsy ho simban'ny masoandro mahamay... 

Mbola mitady ny anaran'io produit io aho amin'izao, asa raha misy mahafantatra ?... 


Published on 17:04, 10/17,2008

mangamaso


Izay dia efa tafiditra aho ka miarahaba anareo rehetra .

Published on 21:00, 10/16,2008

SmileIzay dia efa tafiditra aho ary faly tonga eto aminareo , mblola tsy manana zavatra atolotra androany fa mbola mieritreritra kely .

Tsy dia hoe manga ny masoko fa io solonanarana io no tafiditra , mahafinaritra ihany izany mangamaso izany , sa ahoana ?


Tonga soa mangamaso!

Published on 20:23, 10/16,2008

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.