Valy Tagy - Personality Type - Multiple Intelligences - Simplex blog

Published on 23:31, 08/18,2009

Tsy dia hoe nanana fotoana aho nefa nataoko izy ity fa i Simp dia tena sympa :-).

 Jereo ary ato : http://www.mypersonality.info/mangamaso/

http://www.mypersonality.info



Valin'ny tagy : hanangana saina ve ianao ao 26 juin 2009 ?

Published on 19:47, 08/04,2009

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

 Reharehako izay rehetra maha malagasy ahy, ka ato koa aho milaza sy mampiseho izany rehetra izany,
 tahaka ny ao fiainana an-davan-andro koa : http://tritriva.unblog.fr/


Eny re! raha manina anay ianareo, de ny masoandro jerena, fa toraky ny any ny aty

Published on 08:43, 07/15,2009

MANAOVA FIALAN-TSASATRA SAMBATRA RY NAMANA REHETRA


Valin'ny tagy : hanangana saina ve ianao ao 26 juin 2009 ?

Published on 20:24, 06/23,2009

 Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Reharehako ny mampiseho izay rehetra maha malagasy ahy na ao fiainana an-davan-andro izany na ato koa :

http://tritriva.unblog.fr/

 


Tsotra fotsiny : fetin'ny Dada sy ny lamozika androany, alefa...

Published on 20:10, 06/21,2009


Enga anie ka tsy ho voafafa indray izy ity e! alolotra ho antsika rehetra.

Published on 13:46, 06/19,2009

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit


Aza adino ny manidy ny varavarankely (volets) na doubles rideaux rehefa tonga ny alina...

Published on 01:56, 06/12,2009

klikeo eo lien ary klikeo indray ho lehibe ny sary ny Paris dia mahafaka mijery izay mitranga ao an-trano na toerana misy carré rouge...

HTTP://WWW.HYPER-PHOTO.COM/GRANDES/PARIS.HTML

 Oiseau du Paradis = Voron'ny Edena ?  Embarassed

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit


Mirary Fety Sambatra ho an'ny Reny rehetra

Published on 01:00, 06/05,2009

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuitImage hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuitImage hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

 


Valin'ny Tagy : Proudly Malagasy

Published on 10:20, 05/29,2009

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Andrianampoinimerina

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Radama 1er

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Ranavalona 1ère

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Ranavalona 2

 Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Ranavalona 3

 

Reharehako ny fananan'ny malagasy tantara tao fotoan'ny mpanjaka malagasy ary ny mampiseho sy ny mitantara azy ireo eo amin'ny vazaha sy izay tsy mahafantatra fa i Gasikara dia manana tantara.

Ny reharehako koa ao mamin'ny maha malagasy ahy dia ny fitondrana anarana lava be hoatra : Andriantsimitoviaminandriandrazaka.

Izaho efa ela be no mitoetra eto Frantsa, na aiza na aiza alehako dia misy manontany ahy ny fiaviako, valiako fa Malagasy aho ary reharehako izany. Ao amin'izay ataoko rehetra dia mbola eo foana ny maha malagasy ahy.

Ny tsy tiako ? Rehefa miady ny samy malagasy. 

 

 


Manantena fiainana sambatra izahay, hoy ny ankizy...

Published on 13:03, 02/02,2009

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit


Itony no tena harena...

Published on 10:47, 02/01,2009

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuitImage hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit


TAMBAZOTRA - Antso avo: -

Published on 11:12, 01/28,2009


           Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit                        

Hitako tany ho any ity raharaha ity ka mba entiko eto.
Mino aho fa maro ireo efa mahafantatra ny momba azy, nefa misy ny mbola tsy nandray anjara.
Ka dia mankasitraka antsika rehetra... 
Tsinjio eto ambany ireto liens :

DECLARATION - FANAMBARANA

gazety malagasy

Pétition

 


Massacre de DAUPHINS aux ILES FEROE

Published on 10:23, 11/25,2008

Mahatsiravina ny fahitana fa mbola misy ny olombelona antsoina hoe "sauvage", asa raha manana fanahy ireto "vazaha", na ahoana na inona ny anton'ny hamonoany ireto dauphins dia tsy mahafaka manaiky io fomban-dry zareo io aho. Toy izany koa angamba ny hevitrareo, ka mba jerevo etsy blaogy ny namana any ho any ity, fa betsaka ny mitahy ny DAUPHINS, nefa (plus il y aura de pétitions, plus les autorités bougeront). Tsinjio eto


Mahagaga ireto Tany manana ressources naturelles : Afrika

Published on 23:16, 11/23,2008

Misaotra an'i kdaombaramita , ny taguée ahy amin'ity lalao momba an'i Afrika ity.
Eny i Gasikara dia ao amin'ny kaontinanta Afrikana ary mpikambana ao Union Africaine.
Tsy ho be resaka aho fa sao mirediredy foana.
Ny mahagaga indrindra dia ireo Tany manana ressources naturelles no tena maro mponina mahantra.
Ny vola azo amin'ny ressources naturelles dia mandeha any am-paosin'ny mpitondra sy ny tariny .
Mampalahelo ny fahitana an'izay ao amin'ny fiadiana ( guerre entre ethnies).

Ny any Madagasikara na mbola betsaka aza ny mahantra dia milamina ihany ny fiainana.

Andriamanitra anie hitahy an'i Afrika, indrindra i Madagasikara, ny repoblikan'ny Congo, any Darfour, Côte d'Ivoire, Somalie...

Tohizina ary ity lalao ka ho taguer ko ianareo:

tokinao   , finoanaranoray  ,  tebokaefatra

Mahereza ry namana :-)).
ay


Tononkalo - VONINKAZO - Jean NARIVONY (1898-1980)

Published on 00:35, 11/21,2008

VONINKAZO

Vao mitranga ny maraina
Dia mitsiky sy hanehy
Fa mamantan-jaridaina
Feno hatsaran-tarehy.
Fofomanitra tsy lefy
No mamerovero soa
Voninkazo tsara fefy
Indreo mivelatra avokoa.
Tazana ao ny violety
Te-hiafina ao ambany
Voninkazo tsy mirenty
Nefa manitra aok'izany.
Pika mavo, fotsy, mena,
Samy maha-te-hijery
Samy toa manaja tena
Nefa samy tsisy miery.
Vonindraozy bakobako
Ilay voakolo sy voakaja,
Manana endrika malako
Ka tsy lainga fa mihaja.

Jean NARIVONY (1898-1980)  Mpampianatra Poeta malagasy

 


Reny mitaiza kely, mampinono sy miasa

Published on 20:41, 11/17,2008

Hatramin'izao, mbola tsy misy ronono mahafaka manambaka an'ilay avy ao amin'ny nonon'ny reny , ka na ireo zazakely teraka alohan'ny 9 volana (prématuré) dia omena ronono nalaina tao amin'ny nonon'ny reniny.
Misy koa ny reny mahafaka mampinono hatramin'ny iray taona, mahasoa ny fahasalaman'ny zazakely izany.
Kanefa, rehefa tsy maintsy mandeha miverina miasa, ahoana no ataony?
Ny hevitra tsara indrindra dia ny ahafahan'ny reny mitondra ny zazakely eny amin'ny toerana fiasana: miasa sy mitaiza ary manome nono.


Eny amoron-drano Anosy eny

Published on 20:22, 11/08,2008

Toy izao izany ny andro any Antananarivo, mafana ary mipoipoika ny voninkazon'ny jacaranda (zakarandamy), ny taxi koa dia maka rivotra kely eny amoron'ny lac Anosy.

Misy ilay hira mpitiavana amin'io zakarandamy io, tsy tadidiko iza no mihira azy.
Toerana fanomezana rendez-vous teo taloha, asa raha mbola toy izany amin'izao.


Mibaby zaza

Published on 23:44, 11/06,2008

Ny fibabena zaza dia mbola mandeha tsara amin'izao fotoana izao, na any Dago, na any Afrika, na aty an-dafy.
Hita matetika ireo fomba isan-karazany ampiasaina eo amin'ny fitondrana zaza, nefa ny eo anilana akaiky indrindra an'i mama no safidy aloha. Hoatra ny fitondrana zazakely eo anoloana, nefa mety manahirana kely eo amin'ny fanaovana ny asa: manasa lamba, manao sakafo, mipasoka, sy ny sisa...

Mitovy daholo ny fomba fiandrasana ny zazakely, na ny fitaizana azy, na ny fitondrana azy eran'ity tany ity.


Izay mahafaka dia mampiantrano ny havany

Published on 20:02, 11/03,2008

Raha sarotra aza ny fiainana ao Dago dia mitohy ihany ny fomba fanampiana ny fianakaviana .
Izay mahafaka dia mampiantrano ny havany toy ireto mpianakavy miaraka mitoetra ao amin'ny tranon'i dadabe sy nenibe.
Soa ihany fa mbola betsaka ireo mitana tsara ny tany sy trano, lova sarobidy avy tamin'ny razana... 


Vita malagasy ihany e!

Published on 15:55, 11/01,2008

Hita fa samy manao izay azony atao ny ankabeazan'ny mpanao taozavatra, miteny ireto sary e!

Izay kamo fotsiny no nohana... 


Itony koa ireto taozavatra vita malagasy matanjaka be

Published on 20:27, 10/29,2008

Mpiasa ao amin'ny fanamboarana vato-soa (raha tsy diso aho) amin'ny teny frantsay dia antsoina hoe: Lapiderie.
Mitondra sary fotsiny aho fa tsy haiko ny mombamomba an'izany. 

Misy aminareo angamba mahafantatra tsara ity asa ao Madagasikara ity ?   

 


Mpivarotra zavatra isan-karazany

Published on 10:57, 10/28,2008

PreviewPreview

Soa ihany fa mbola misy ireto mpivarotra zavatra vita gasy isan-karazany.
Hita fa maro ny malagasy mahay mamorona taozavatra.

Ary ireny mpivarom-boankazo, vokatra sy hanin-kotrana, mbola betsaka ao Dago. 
Raha mbola misy ny vokatra dia tsy ho nohana ny mponina. 

Sady faly ny mpividy fa nahazo sovenira manja sy nihinana zava-soa avy eny an-tsaha sy ala...
Ireo mpivarotra nahazo vola hividianany izay tiany, hanasoa ny fiainany.

Samy manao valim-pitia izany !

Enga anie hitohy toy izany lalan-dava, fa mahafinaritra ny fahitana zavatra vita malagasy...  


Ireny Tambanivohitra ireny !

Published on 09:35, 10/25,2008

PreviewPreviewPreviewPreview

Namaky etsy sy eroa aho, dia hitako ireny nosoratan'ny sasany momban'ny tambanivohitra. Misy milaza fa hoe mandany andro tsy manao inoninona, tsy miasa, mipetraka mitanin'andro fotsiny izy ireo, sy miandry ny sakafo avy eny an-danitra. Mampalahelo rehefa mahafantatra ny toe-tsain'ny mpanaratsy, nefa tsy mahita ny fahamarinana tanteraka momba azy ireo.

Ireny olona mihaina eny ivelan'ny tanan-dehibe ireny dia mifoha isan'andro amin'ny 5 ora maraina, ary mandeha miasa eny an-tsaha na eny an-tanim-bary ao tontolo andro izany, toy ireto amin'ny sary.

Ka rehefa vokatra ny voly dia mandeha mivarotra azy eny an-tsena na eny amoron-dalana ireny tambanivohitra ireny.

Aiza ny akamoana amin'izany ?


Mbola sipa gasy foana

Published on 10:14, 10/24,2008

Preview

Ny fikarakarana vary hoatran'ny eto amin'ny sary, alohan'ny fandrahoana azy dia fomba malagasy tsy very.
Mahafinaritra ny fahitana azy fa toa ny fandihizana ilay hetsika, ary mandeha amin'ny "rythme", ary raha henoina dia misy mozika manaraka azy...
Ao Dago fotsiny angamba no misy io fomba fanadiovana vary io...


Ramatoa (manja) mponina ao an-ala Mikéas

Published on 09:55, 10/21,2008

Preview

Fantantsika fa any avaratr'i Tuléar (120km) ao commune Basy-Basy no misy ny ala Mikéas, ary ao koa no mihaina ireto mponina mitondra io anarana io .

Ity apetrako (tapitra avy eo) ny sarin'i ramatoa manisy masonjoany eo an-tavany, kanefa hono tamin'ny sakamalaon'ala no namboariny ity (crème) ity...  


Vehivavy sakalava manja kely mitandrina ny tavany tsy ho simban'ny masoandro...

Published on 16:18, 10/20,2008

Preview

Betsaka ny vehivavy malagasy mampiasa ny produits naturels vita gasy .

Toy ny eto amin'ny sary ity dia isan'ny maraina no manisy an'io "menaka" eo amin'ny tarehiny ireny sipa gasy sakalava , na zazavavy kely izany na ramatoa .

Miaro ny endrika hono io fomba io mba tsy ho simban'ny masoandro mahamay... 

Mbola mitady ny anaran'io produit io aho amin'izao, asa raha misy mahafantatra ?... 


Published on 17:04, 10/17,2008

mangamaso


Izay dia efa tafiditra aho ka miarahaba anareo rehetra .

Published on 21:00, 10/16,2008

SmileIzay dia efa tafiditra aho ary faly tonga eto aminareo , mblola tsy manana zavatra atolotra androany fa mbola mieritreritra kely .

Tsy dia hoe manga ny masoko fa io solonanarana io no tafiditra , mahafinaritra ihany izany mangamaso izany , sa ahoana ?


Tonga soa mangamaso!

Published on 20:23, 10/16,2008

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.