Massacre de DAUPHINS aux ILES FEROE

Published on 10:23, 11/25,2008

Mahatsiravina ny fahitana fa mbola misy ny olombelona antsoina hoe "sauvage", asa raha manana fanahy ireto "vazaha", na ahoana na inona ny anton'ny hamonoany ireto dauphins dia tsy mahafaka manaiky io fomban-dry zareo io aho. Toy izany koa angamba ny hevitrareo, ka mba jerevo etsy blaogy ny namana any ho any ity, fa betsaka ny mitahy ny DAUPHINS, nefa (plus il y aura de pétitions, plus les autorités bougeront). Tsinjio eto


Mahagaga ireto Tany manana ressources naturelles : Afrika

Published on 23:16, 11/23,2008

Misaotra an'i kdaombaramita , ny taguée ahy amin'ity lalao momba an'i Afrika ity.
Eny i Gasikara dia ao amin'ny kaontinanta Afrikana ary mpikambana ao Union Africaine.
Tsy ho be resaka aho fa sao mirediredy foana.
Ny mahagaga indrindra dia ireo Tany manana ressources naturelles no tena maro mponina mahantra.
Ny vola azo amin'ny ressources naturelles dia mandeha any am-paosin'ny mpitondra sy ny tariny .
Mampalahelo ny fahitana an'izay ao amin'ny fiadiana ( guerre entre ethnies).

Ny any Madagasikara na mbola betsaka aza ny mahantra dia milamina ihany ny fiainana.

Andriamanitra anie hitahy an'i Afrika, indrindra i Madagasikara, ny repoblikan'ny Congo, any Darfour, Côte d'Ivoire, Somalie...

Tohizina ary ity lalao ka ho taguer ko ianareo:

tokinao   , finoanaranoray  ,  tebokaefatra

Mahereza ry namana :-)).
ay


Tononkalo - VONINKAZO - Jean NARIVONY (1898-1980)

Published on 00:35, 11/21,2008

VONINKAZO

Vao mitranga ny maraina
Dia mitsiky sy hanehy
Fa mamantan-jaridaina
Feno hatsaran-tarehy.
Fofomanitra tsy lefy
No mamerovero soa
Voninkazo tsara fefy
Indreo mivelatra avokoa.
Tazana ao ny violety
Te-hiafina ao ambany
Voninkazo tsy mirenty
Nefa manitra aok'izany.
Pika mavo, fotsy, mena,
Samy maha-te-hijery
Samy toa manaja tena
Nefa samy tsisy miery.
Vonindraozy bakobako
Ilay voakolo sy voakaja,
Manana endrika malako
Ka tsy lainga fa mihaja.

Jean NARIVONY (1898-1980)  Mpampianatra Poeta malagasy

 


Reny mitaiza kely, mampinono sy miasa

Published on 20:41, 11/17,2008

Hatramin'izao, mbola tsy misy ronono mahafaka manambaka an'ilay avy ao amin'ny nonon'ny reny , ka na ireo zazakely teraka alohan'ny 9 volana (prématuré) dia omena ronono nalaina tao amin'ny nonon'ny reniny.
Misy koa ny reny mahafaka mampinono hatramin'ny iray taona, mahasoa ny fahasalaman'ny zazakely izany.
Kanefa, rehefa tsy maintsy mandeha miverina miasa, ahoana no ataony?
Ny hevitra tsara indrindra dia ny ahafahan'ny reny mitondra ny zazakely eny amin'ny toerana fiasana: miasa sy mitaiza ary manome nono.


Eny amoron-drano Anosy eny

Published on 20:22, 11/08,2008

Toy izao izany ny andro any Antananarivo, mafana ary mipoipoika ny voninkazon'ny jacaranda (zakarandamy), ny taxi koa dia maka rivotra kely eny amoron'ny lac Anosy.

Misy ilay hira mpitiavana amin'io zakarandamy io, tsy tadidiko iza no mihira azy.
Toerana fanomezana rendez-vous teo taloha, asa raha mbola toy izany amin'izao.


Mibaby zaza

Published on 23:44, 11/06,2008

Ny fibabena zaza dia mbola mandeha tsara amin'izao fotoana izao, na any Dago, na any Afrika, na aty an-dafy.
Hita matetika ireo fomba isan-karazany ampiasaina eo amin'ny fitondrana zaza, nefa ny eo anilana akaiky indrindra an'i mama no safidy aloha. Hoatra ny fitondrana zazakely eo anoloana, nefa mety manahirana kely eo amin'ny fanaovana ny asa: manasa lamba, manao sakafo, mipasoka, sy ny sisa...

Mitovy daholo ny fomba fiandrasana ny zazakely, na ny fitaizana azy, na ny fitondrana azy eran'ity tany ity.


Izay mahafaka dia mampiantrano ny havany

Published on 20:02, 11/03,2008

Raha sarotra aza ny fiainana ao Dago dia mitohy ihany ny fomba fanampiana ny fianakaviana .
Izay mahafaka dia mampiantrano ny havany toy ireto mpianakavy miaraka mitoetra ao amin'ny tranon'i dadabe sy nenibe.
Soa ihany fa mbola betsaka ireo mitana tsara ny tany sy trano, lova sarobidy avy tamin'ny razana... 


Vita malagasy ihany e!

Published on 15:55, 11/01,2008

Hita fa samy manao izay azony atao ny ankabeazan'ny mpanao taozavatra, miteny ireto sary e!

Izay kamo fotsiny no nohana...