Ireny Tambanivohitra ireny !

Published on 10/25,2008

PreviewPreviewPreviewPreview

Namaky etsy sy eroa aho, dia hitako ireny nosoratan'ny sasany momban'ny tambanivohitra. Misy milaza fa hoe mandany andro tsy manao inoninona, tsy miasa, mipetraka mitanin'andro fotsiny izy ireo, sy miandry ny sakafo avy eny an-danitra. Mampalahelo rehefa mahafantatra ny toe-tsain'ny mpanaratsy, nefa tsy mahita ny fahamarinana tanteraka momba azy ireo.

Ireny olona mihaina eny ivelan'ny tanan-dehibe ireny dia mifoha isan'andro amin'ny 5 ora maraina, ary mandeha miasa eny an-tsaha na eny an-tanim-bary ao tontolo andro izany, toy ireto amin'ny sary.

Ka rehefa vokatra ny voly dia mandeha mivarotra azy eny an-tsena na eny amoron-dalana ireny tambanivohitra ireny.

Aiza ny akamoana amin'izany ?


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=5466

Leave a Reply

One Response to Ireny Tambanivohitra ireny !