Tononkalo - VONINKAZO - Jean NARIVONY (1898-1980)

Published on 11/21,2008

VONINKAZO

Vao mitranga ny maraina
Dia mitsiky sy hanehy
Fa mamantan-jaridaina
Feno hatsaran-tarehy.
Fofomanitra tsy lefy
No mamerovero soa
Voninkazo tsara fefy
Indreo mivelatra avokoa.
Tazana ao ny violety
Te-hiafina ao ambany
Voninkazo tsy mirenty
Nefa manitra aok'izany.
Pika mavo, fotsy, mena,
Samy maha-te-hijery
Samy toa manaja tena
Nefa samy tsisy miery.
Vonindraozy bakobako
Ilay voakolo sy voakaja,
Manana endrika malako
Ka tsy lainga fa mihaja.

Jean NARIVONY (1898-1980)  Mpampianatra Poeta malagasy

 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=5614

Leave a Reply

One Response to Tononkalo - VONINKAZO - Jean NARIVONY (1898-1980)



  1. Visit Tokinao

    Mahafinaritra ...
    misaotra betsaka mangamasoa a



  2. Visit mangamaso

    Tsy misy fisaorana Tokinao, fifaliana ny fametrahana tononkalo, soa fa mbola misy azy ireo. Avy aty mihintsy ny fofona manitr'ireo voninkazo.