Reny mitaiza kely, mampinono sy miasa
Published on 11/17,2008
Hatramin'izao, mbola tsy misy ronono mahafaka manambaka an'ilay avy ao amin'ny nonon'ny reny , ka na ireo zazakely teraka alohan'ny 9 volana (prématuré) dia omena ronono nalaina tao amin'ny nonon'ny reniny.
Misy koa ny reny mahafaka mampinono hatramin'ny iray taona, mahasoa ny fahasalaman'ny zazakely izany.
Kanefa, rehefa tsy maintsy mandeha miverina miasa, ahoana no ataony?
Ny hevitra tsara indrindra dia ny ahafahan'ny reny mitondra ny zazakely eny amin'ny toerana fiasana: miasa sy mitaiza ary manome nono.



11/17,2008, at 23:20
Visit simp
tokony hanao fiompiana ve zany?
vehivavy be ronono :P
11/18,2008, at 08:55
Visit mangamaso
Hi hi! taloha no nisy an'izany ramatoa miompy, mampinono ny zanany sy ny an'ny olon-kafa.
Ankehitriny izy ireny, antsoina hoe "nourrice" mpitaiza zaza manome biberon kah!... Sa?
11/18,2008, at 11:13
Visit simp
Efa afaka maka ronono@ zaofotoana izao dia atao anaty biberon apetraka anaty frigo dia azon'ny zaza sotroina mandrapaharivan'ny andro (alaina maraina ny ronono) dia soloina isan'andro
11/18,2008, at 11:59
Visit mangamaso
Izany no atao hoe fandrosoana, rehefa mahazo "tire-lait" sy manana frigo ao an-trano na any mpitaiza zaza.
Tsy ny olona rehetra anie no mahafaka manao toy izany e!
11/18,2008, at 18:38
Visit simp
mon jumeau de nom,
zany hoe mitery maraina sy hariva izany ve? :P
d ahoana moa zany fa mitombo ihany ny isan'ny antony hitadiavana ol misy sakafon-jaza ngozangoza :lol:
11/18,2008, at 21:45
Visit mangamaso
Rehefa miverina ao an-trano dia minono direct ny zazakely. Marina fa ampiana tsikelikely amin'ny sakafon-jaza ny nono, nefa java soa ho azy ny minono ( le plus longtemps possible e!)matanjaka be ny zaza avy eo.
Inona ary ity: mon jumeau de nom?
11/18,2008, at 22:37
Visit maintikely
Any amintsika efa misy fiasana nametraka système hoe afaka mampinono ny vehivavy mananjanaka kely. Tonga any ny mpiambina ny zaza dia misy heure fixe, mampinono ny reniny...
Ny olana fotsiny tsisy hoe mitomany dia omena nono fa efa misy lamina tsy maintsy arahina
11/19,2008, at 01:01
Visit mangamaso
Izao vao fantatro fa efa misy ao Dago izany organisation izany ho an'ny renin-jazakely, mba ahafahany miasa sy mampinono koa.Hoatran'ny Crèche ao entreprise, misy olona miambina an'ireo zazakely izany. Soa raha eo ny fandrosoana, ka tsy adino ny vehivavy miasa manan-janaka. Misaotra anareo nametraka hevitra :-)
11/19,2008, at 21:52
Visit simp
mangamaso,
ilay mitovy anarana amiko re a ;-)
enao moa no iza? :P
11/19,2008, at 22:37
Visit mangamaso
simp, dia ho hitako eo ny pseudo hafanao, mitovitovy amin'io.
iza moa aho? mandalova ato dia ho fantatrao:
...tritriva.unblog.fr/
11/25,2008, at 09:45
Visit sakaizakely
Mahavariana tokoa fa ankehitriny vao mahatsapa daholo ny tombontsoan'izy ity dia mikasa hanao "retour à l'original" saingy efa niova loatra ny fomba sy ny toetrandro ary tsy mifanaraka intsony @ fampinonoana ny fitadiavan'ahitra.
Ho an'ireo reny izay maniry hampinono dia tena tsy misy fika intsony fa voatery misafidy fitadiavana sy fivelomana sa famelomanjaza. Satria na misy aza lalàna mamela ny reny hampinono dia tsy ampy ihany ilay izy. Raha sady reraky ny rotoroto sy vizana no mampinono dia malaky ritra ny loharanontsakafo sady tsy eo amin'izany koa ny loha e ! Dia malaky tafajanona ny fampinonoana. Nefa raha minono tokana mandritry ny enimbolana voalohany iny hono ny zaza dia mihena ny risque d'allergie ohatra, salama tsy mba farofy ny zaza isaky ny tonga ny hatsiaka sns...
Izaho dia anisan'ny nisafidy hamelonjaza toy izay hamelona patron. Hitako tsara ny mahasamy hafa ny fahasalaman'ny ankizy miohatra @ namany
Tant pis pour la carrière sy ny retirety voanjo, mbola ho lava ny andro hanenjehana ny kotizasion any aorina any hihihi