Vehivavy sakalava manja kely mitandrina ny tavany tsy ho simban'ny masoandro...

Published on 10/20,2008

Preview

Betsaka ny vehivavy malagasy mampiasa ny produits naturels vita gasy .

Toy ny eto amin'ny sary ity dia isan'ny maraina no manisy an'io "menaka" eo amin'ny tarehiny ireny sipa gasy sakalava , na zazavavy kely izany na ramatoa .

Miaro ny endrika hono io fomba io mba tsy ho simban'ny masoandro mahamay... 

Mbola mitady ny anaran'io produit io aho amin'izao, asa raha misy mahafantatra ?... 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=5435

Leave a Reply

One Response to Vehivavy sakalava manja kely mitandrina ny tavany tsy ho simban'ny masoandro...



  1. Visit ni81

    Fa angaha menaka io fa tsy hodi-kazo nokikisana?



  2. Visit maintikely

    masonjoany no anarany.
    Miaro tarehy @ masoandro sady toa manadio koa raha tsy diso za. Ny komorianina koa mpanao an'izy io.
    Raha any madagasikara ianao dia mora hita kely eny @ mpivarotra fanafody entim-paharazana :)



  3. Visit simp

    fa aza atao hitan'ny ol kosa refa manao mason-joany fa tssssssss :)

    otran'ny hoe manosotra argile verte dia mande miantsena ihany zany :P



  4. Visit ikalamako

    kanefa io koa ry simp no tena lamaody ange e ! jereo daholo ange ny boky momba an'i Madagasikara rehefa mampiseho ny vehivavy sakalava, vezo, sns e. Tsy lamaody moa izany fa tena fomba mampiavaka e, hany ka tsy manahirana ny mason'ny hafa mijery azy ireo raha any an-toerana ianao. I Tritriva manao masonjoany ho asa raha hiseho blaogy :-P



  5. Visit ni81

    Gaga mantsy aho hoe menaka...
    Lamaody io any amoron-tsiraka fa mbola betsaka no manao azy na dia eto frantsa aza, ary entiny mandehandeha eny! Tahaka ny olona manao maquillage kosa angamba no mba eritreretiny koa!



  6. Visit sitlo

    menaka hahaha

    dia ny mayotte koa no tena tsy laitra amin'io

    Ny mahagaga ahy dia hoe mampalandilandy tarehy ilay izy. Kanefa atao inona moa tarehy malandilandy raha mitakovana eo iny? Tsy tokony mba hosasaina amin'izay ve rehefa mivoaka ny trano?

    Fa manaingo karatra fandefa paositra kosa aloha e.



  7. Visit mangamaso hihi! eny tsy menaka e! misaotra maintikely, masonjoany no anarany izany. ni81, hay ve hodi-kazo nokikisana no nanaovana azy? simp, rehefa eny amoron-tsiraka dia tsy misy olana angamba raha misy an'io eo an-tava. sitlo,ilay vadiny ihany no mahita ny tarehiny rehefa nosasahiny. ikalamako, marina fa any dia tsy manahirana ny fahitana masonjoany eo an-tava, tsy aty aho no hanisy an'io fa andramako rehefa any Dago.


  8. Visit Tritriva Eny tsy menaka ary fa inona ? (crème)sa? masonjoany ary izany vita hodi-kazo nokikisana. Misaotra jiaby namaly e!


  9. Visit ikalamako

    ilay izy entina mandehandeha kosa angamba noho izay izy hoe hiarovana amin'ny masoandro izay e ; ary angamba rehefa hamonjy fety na andro lehibe zareo manala azy hampisehoany ny hatsaran'ny hodi-tavany fa matoa izy entiny mandehandeha dia mbola fiainana an-davan'andro tsotra aloha izany o ?